FA IZAY TARIHIN'NY FANAHIN'ANDRIAMNITRA NO ZANAK'ANDRIAMANITRA"Rom 8.14



Miarahaba ny kristiana rehetra tratry ny Andro Pentekosta, Andro fahatsiarovana ny nilatsahan'ny Fana- hy Masina tamin'ny Apostoly sy ny mino namany, ary mbola mitoetra sy mitarika ny kristiana ho amin'Andrimanitra mandraka ankehitriny.
Milaza ny amin'ny Fanahy Masina ny Rom.8 izay azo fintinina ami'ny teny hoe : Tombo kase maha za- nak'Andriamanitra ny Fanahy Masina. Fifaliana lehibe ho antsika Kristiana tokoa izany mba hijoroantsi- ka ho vavolombelon'ny Tompo eto amin'izao tontolo izao. Hoy ny teny norainsintsika eto : "Fa izay ta- rihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra"
Izay ambara amin'izany amintsika dia izao :

MANAVAO NY OLONA NY FANAHY MASINA

Ny Soratra Masina dia milaza fa ny Fanahy Masi- na dia manavao antsika ho tonga olom-baovao ao amin'i Kristy (II Kor.5.16). Izy no manova anstika ho olom-baovao. Ny mahatonga izany dia izao : Ny toetsika teo aloha dia toetra nolovana tamin'izao tontolo izao izay miaina sy mivelona araka ny fa- naon'izao tontolo izao izay mihasimba ka mahaton- ga ny olona hiaina amin'ny faharatsiana maro samihafa. Rehefa miova fo anefa io olona io ka mandray ny Fanahy Masina, dia havaozin'ny Fanahy Masina tanteraka ny teony ka tonga olona hafa vaovao eo imason'izao tontolo izao. Ny krsiti- ana indrindra no antenaina mba hohavaozin'ny Fanahy Masina ka hanao sy hanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra, ho vavolombelony man- drakariva eo amin'ny fiainany manontolo.

MANAMASINA NY OLONA NY FANAHY MASINA

Ny toetra sy ny fiainan'ny olona dia feno ota ka zary ota ny fiainan'ilay olona. Tonga maloton'ny fahotana ilay olona amin'izay fotoana izay ka tsy maintsy havaozina amin'ny alalan'ny fanadiovana sy ny fanamasinana azy ho tonga olon'Andriamani- tra. Ny hoe : "Manamasina"dia manokana no dikany sy heviny. Ny Fanahy Masina izany rehefa mana-
dio ilay olona mpanota dia manokana azy ho an'An- driamanitra. Avy tao amin'izao tontolo izao ka tsy maintsy atokana ho an'Andriamanitra, hohamasinina ho an'i Jehovah Andrimanitra. Manjary masina ho an'Andrimanitra izy, rehefa nodiovin'ny Fanahy Ma- sina. Izany no ilazan'ny Soratra Masina nu olona toy izany ho "olona masina"satria olona miavaka eo amin'ny besinimaro, amin'izao tontolo izao. Ny kate- komena raisina anio dia antenaina hohamasinin'ny Fanahy Masina mandrakariva ka tsy handraraka ilo mby an-doha, fa ho fianarana ho an'ny mino sy izao tontolo izao.

MAHATONGA HO ZANAK'ANDRIMANITRA NY FANAHY MASINA

Tarihin'ny Fanahy Masina ilay olona ho tonga za- nak'Andriamanitra. Ny Jao.1.12 dia milaza fa i"zay rehetra nandray Azy (Jesoa Krsity) dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny Ana- rany."Ny Fanahy Masina no hery mahatonga ny mino ho zanak'Andriamanitra. Ny mahatonga izany dia no- ho ny mino tsy "nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona fa naterak'Andriamani- tra"(Jao1.13) amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia tsy iza fa Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao amin'ny olona, Jesoa Kristy mitoetra ao anatinstika.

Izany no asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny olona : manavao sy manamasina ka mahatonga ny mino ho zanak'Andriamanitra indray. Ny Fanahy Masina dia ho an'ny mino rehetra (Joela 3,1), hahatonga azy hino an'i Jesoa Kristy sy Andriamanitra. Koa meteza handray sy hanana ny Fanahy Masina ianao raha tianao ny mba ho tonga zanak'Andriamanitra indary.
"Andriamanitry ny fiadanana anie hahasambatra anareo ho samy ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika. (I Tes.5.23)

AMEN

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire