Bonne Parole - Efesiana 3 : 17 - 18



...Mba htoeran'iKristy ao am-ponareo amin'ny finoana mba hamaka sy hiorina mafy amin'ny fiatiavana hianareo mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra mba hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny." Efe 3 : 17 18


NY FIANGONANA ITOERAN'I KRISTY


Teo amin'ity epistily ity i Paoly dia mampahafantatra ireo kristiana any Efesosy ny amin'ny maha apostolin'ny jentilisa azy, mba hahatonga ireo kristiana any amin'ny tanin'ny jentilisa hiorina amin'ny Finoana marina sady ho Fiangonana mijoro tsara, tahaka azy mijoro lalandava amin'ny maha mpanompo mahatoky azy, na dia any am- pigadrana aza izy no manoratra izao taratasy izao. Ambarany àry fa ny Fiangonana sy kristiana afaka hijoro tsara dia ny Fiangonana itoeran'i Kristy. Ary rehefa tena onenan'ny Tompo ny fony dia afaka hiorina amin'ny fitiavana marina izy.


A. FIANGONANA MIORINA AMIN'NY FITIAVANA


Marihan'i Paoly apostoly mazava tsara fa ny kristiana afaka hijoro tsara dia ny kristiana matanjaka ara-panahy satria nampaherezin'ny Fanahy Masina sady lapan'i Jesoa Kristy rahateo ny fony. Ny fo moa akanin'ny fitiavana izay manosika ny olona hiraiki-po amin'ny hafa, ka vono-kanolo-tena hanasoa azy. Koa rehefa nandray an'i Kristy ilay endriky ny fitiavan'Andriamanitra azy ny kristiana, dia nanjary ampoky ny fitiavana ny fiainany manontolo, ary tsy mahafoy an'Andriamanitra na oviana na oviana izy no sady te hizara ilay fitiavana voarainy ho an'ny hafa ihany koa.
Mba tsapantsika tokoa àry ve ny fitiavan'Andriamanitra antsika? Ary mba mahatsiaro fifaliam-be tsy hay visavisaina ve sisika rehafa nandray an'i Jesoa Kristy ho Tompon'ny fianantsika? Raha tsapantsika izany hasambarana izany dia tena miorina amin'ny fitiavana isika sady hanompo an'Andriamanitra amin'ny fitiavana rahateo ihany koa. Izany fitiavana ivelomantsika izany koa anefa dia manosika antsika ho tia ny namntsika ihany koa.


B. FIANGONANA MIFANKATIA


Voalazan'i Paoly eto fa ny kristiana miorina amin'ny fiatiavana dia mahatsapa izany fiatiavana ivelomany izany amin'ny fifandraisany amin'ny
kristiana namany ihany koa. Ireo antsoiny hoe olona Masina dia ireo mpiray tampo amin'ny finona, ireo mpianakavin'ny finoana. Miombona antso amin'ny kristiana tsirairay avy. Rehefa samy te hizara fitiavana ami'ny namany avy ny kristiana dia hipoky ny kristiana mifankatia ny Fiangonan'Andriamanitra, ary tian'i Paoly ho takatr'ireto kristiana any Efesosy ireto izany. Mbola marina ho antsika kristiana velona ankehitriny koa izany hafatr'i Paoly izany. Satria raha samy mivelona amin'ny fiatiavana tokoa isika dia hisononoka ho azy ny fifankatiavantsika. Ka ho lavitra ny Fiangonana ny fizarazarana sy ny fitsitokotokoana. Ka ho tena Fiangonana mijoro amin'ilay Fiatiavan'Andriamanitra tokoa ny Fiangonana misy antsika. Ary ny fivelomantsika amin'izany fifankatiavana izany no mahatonga antsika hahafantatra ny refin'ny finoantsika ao amin'i Kristy.


C. FIANGONANA MAHAFANTATRA NY HASAROBIDIN'NY FINOANA MARINA


Toy ny mpanao asa marika milaza refin-javatra sy haben'ny zavatra anankiray eto i Paoly raha miteny amin'ny Kristiana any Efesosy. Satria lazaina fa raha toa ka tena mivelona amin'ny fifankatiavana marina ny kristiana dia hahatakatra ny hasarobidin'ny finoana kristiana miorina ao amin'i Jesoa Kristy ka ho fantatr'izy ireo tsara na ny lanjany, na ny refiny, na ny halaliny na ny haavony. Satria mifameno ny fomba hahatakaran'ny kristiana tsirairay ny amin'ny finoanan mifototra amin'i Jesoa Kristy ilay nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany izao tontolo izao.
Mba azontsika an-tsaina ve izany hasarobidin'ny finoana krsitiana iarahantsika kristiana mahafantatra izany? Raha sandaina vola amin-karena izany dia ho lafo vidy tokoa, satria tsy hisy hahatakatra izany, na dia izay manan-karena indrindra eto an-tany aza. Nefa dia omen'Andriamanitra maimaimpoana izany mba hahatonga antsika hijoro amin'ny tena finoana marina. Koa na dia mamakivaky zava-tsrotra aza isika, dia aza kivy fa momba antsika ilay Tompon'ny finoantsika izay mampijoro antsika ho mpanompo mahatoky Azy mba haneho ny voninahitr'Andriamanitra irery ihany. AMENA. 

Mpamafy - Octobre Novembre 1998

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire