Bonne Parole - IZAY MAHA IZY AN'I JESOA KRISTY



Andro vitsivitsy sisa dia ho tonga ny Krismasy ankalazana an'i Jesoa Kristy, Zanaky ny Avo indrindra. Ny anjely Gabriela dia nilaza tamin'i Maria fa hiteraka an'i Jesoa Kristy izy : "Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hatao hoe : Zanaky ny Avo indrindra". Fanambarana ny asa ataon'i Jesoa Kristy eto amin'izao tontolo izao izany : Mesia ateraky ny virijiny Izy. Izy no ilay Mesia hamonjy izao tontolo izao, Izy no Andriamanitra tonga nofo ho Mpamonjy izao tontolo izao. Koa amin'izany dia Zanaky ny Avo indrindra Izy. Ny fiterahan'i Maria Azy no famantarana izay zava-miafina momba an'i Jesoa Kristy. Izao no ambaran'izany amintsika.


NOTOROTRONINA TAMIN'NY FANAHY MASINA


Nahatalanjona fatratra an'i Maria ny nambaran'ny anjely taminy : "Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?". Novalin'ny anjely izany ka hoy izy tamin'i Maria : Ny Fanahy Masina ho tonga aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao. Koa ny Masina Izay haterakao dia hatao hoe : "Zanak'Andriamanitra". Ambara amin'izany fa notorontoronina tamin'ny Fanahy Masina Jesoa Kristy. Izany no ilazana Azy ho "Masina" satria sady tsy misy tsiny Izy no Andriamanitra rahateo. Milaza ny fifandraisana saro-pantarina misy Aminy sy Andriamanitra izany. Raha tsy notorontoronina tamin'ny Fanahy Masina Jesoa Kristy dia ho olona anankiray toa antsika ihany ka tsy afaka hamonjy antsika akory. Fa tena notorontoronina tamin'ny Fanahy Masina Jesoa hanambara amintsika fa Andriamanitra marina Izy.


NATERAK'I MARIA VIRIJINY


Ny maha-Izy an'i Jesoa Kristy koa dia "naterak'i Maria Virijina" Izy. Maria dia virijina izay voafofo ho vadin'i Josefa avy amin'ny taranak'i Davida. Niteraka Azy Maria. Manambara ny maha-olona Azy izany. Avy amin'izany no nandraisany tena maha-olona ny olona : teraka, dia nitombo toy ny olona rehetra, nahatsiaro noana sy mangetaheta, sasatra, nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra. Na izany aza dia tsy nanana ota Izy sady tsy nisy ota tao Aminy. Nilaina teo amin'ny famonjena antsika izany : mba hahazoany manatona antsika, mifampirahaha amintsika. Raha tsy naterak'i Maria virijina Izy, dia ho Andriamanitra tany an- danitra fotsiny ka tsy ho haintsika olombelona mpanota ny mifampiraharaha Aminy.


FAHATANTERAHAN'NY SORATRA MASINA


Manomboka any amin'ny Genesisy ka hatrany Apokalypsy, Jesoa Kristy no Fahatanterahan'ny Soratra Masina. Ao anatin'izany indrindra no ambaran'ny Gen. 3 : 15 "Hanorotoro ny lohan'ny menarana ela, dia ny devoly sy satana" (Apok. 12 : 9; 20 : 2). Ny fomba hahaterahany dia izay lazain'ny Isa 7 : 14 hoe " Hateraky ny virijiny. Ny anarany dia atao hoe : Imanoela = Amintsika Andriamanitra". Ny anarana hafa lazain'i Isaia dia izao koa : Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery. Rain'ny mandrakizay, Andrian'ny fiadanana (Isa. 9 : 5). Tanteraka amin'i Jesoa Kristy tokoa ny voalazan'ny Soratra Masina. Koa izy izany no fahatanterahan'ny Soratra Masina.
Izay no ambaran'ny Soratra Masina ny maha-Izy an'i Jesoa Kristy, dia ny maha-Andriamanitra Azy, Zanaky ny Avo Indrindra : notorontoronina tamin'ny Fanahy Masina, naterak'i Maria virijiny. Ny anton'izany dia ny ho famonjena antsika mpanota mba ho afaka amin'ny fahotantsika isika. Izy no fahatanteran'ny Soratra Masina fa tanteraka taminy izay rehetra voasoratra ao amin'ny Baiboly. Izy no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, hahafahan'Andriamanitra mijery ny olona ao amin'i Kristy sy hijeren'ny olona an'Andriamanitra ao Aminy. Tonga mihavana indray Andriamanitra sy olona, ka ilazana ny olona ho zanak'Andriamanitra indray ary anondroan'ny olona an'Andriamanitra ho Rainy (II Sam 7 : 14; Asa 17 : 28; Heb 1 : 5)

MIRARY ANTSIKA REHETRA HO TRATRY NY KRISMASY SAMBATRA. 

Mpamafy - Décembre 1998 - Janvier 1999

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire