“Indro ny zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao”

Izao tontolo izao no indrisy no misy antsika zanakolombelona. Toa fiainana sarotra tokoa no hita ety ambanin'ny masoandro. Ary raha ny fiainana ankehitriny no zohina dia toa mitondra fahoriana ra-olombelona. Eo dia eo tokoa ny fandrosoana isan-karazany vitantsika olombelona ary tena mahatolagaga. Kanefa izany rehetra izany tsy misakana ny hisian'ny ny ady etsy sy aroa. Firenena manangana ady amin'ny firenena hafa //indray indray aza firenena mpiray fihaviana ihany no mifamono, ny tena loza aza dia ny mpiray finoana mifandramatra.
Manindraindra ny taona ho avy izao tontolo izao, ary lazain'ny maro fa ny taona roa arivo no iandohan'ny fotoan'ny "filaminantsaina, fiadanana, sy ny firalahina" Peace and Love" "Paix et Amour". Tsy vinavina fotsiny ve izany, ry havako? Efa herintaona latsaka sisa dia ho tonga tokoa ny taona roa arivo kanefa toa mbola eo anivon'ny fiainan'ny zanakolombelona : ny filana ady, ny fialonana, fankahalana, ny famonoana olona, ny lainga isan- karazany, ny fijangajangana, ny famamoana, ny fanaovandratsy rehetra izao, ny tsy fanajana isan- karazany, famitahana, ny fitiavan- tena, ny tsy finoana an'Andrimanitra, ny fandikana ny lalana isan-karazany, ary toa miampy fahoriana sy fijaliana toa mangeja ny zanak'olombelona : aretina tsy ahitana fanafany, fahantrana, famoizampo, fahakiviana, fahadisoam-panatenana, ny tsy fisian'ny asa, loza isankarazany.
Koa raha ny marina dia tena lavitra ny "peace and love" isika satria na toy inona na toy inona ny fandroasoantsika amin'ny lafiny ara- teknika na ara-siansa (na psychologique na anthropologie) dia tsy nanova ny maha-olombelona ny olombelona isika. Tsy nahafoana ny fahotana isika. Raha ny tantara ambaran'ny baiboly masina no jerana dia hita fa voa teraka ny taranak'i Adama sy Eva (Kaina sy Abela) dia tonga dia vono olona no nitranga. Tsy mila ampianarina mandainga ny ankizy fa mandainga ho azy. Raha tsorina indraimbava ry havana dia azo lazaina fa rakotra ny fahotana izao tontolo izao, maizin'ny fahoriana mampididoza izao tontolo izao.
Ny baiboly, ny tenin'Andriamanitra ry havana dia manambara fa ny fahotana no mampisaraka antsika amin',ny
Andriamanitra. Satria ny fahamasinany izay tanteraka indrindra tsy mahazaka tsy mahatanty ny farafahakelin'ny faharatsiam-panahy. Ary raha ny marina aza dia tokony aringana daholo izao tontolo izao satria teraka ho mpanohitra an'Andriamanitra masina sady marina noho ny fahotana. Efa nataony izany tamin'ny safondrano, efa nodorany Sodoma sy Gomora, nataony izany noho ny faharatsian'ny olona.
Andriamanitra anefa dia Fitiavana, be famindrampo sady maharipo. Tsy tian'Andriamanitra ho lon'ny fahotana izao tontolo izao ka izany no nanirahiny ny zanany lahitokana ho ZANAKONDRIN'ANDRIAMNITRA MANALA NY FAHOTAN'IZAO TONTOLO IZAO. Ny zanakondrin'Atra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao, manafaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra. Inona moa no tena nilana ny zanakondry indrindra ny zanakondry tsy misy pentina teo amin'ny tantaran'ny famojena ambaran'ny Baiboly. Ny fanolorana zanakondry ho fanatitra ho dorana no fomba teo amin'ny zanak'Israely fangatahana famindram-po amin'Andriamanitra. Inona no tena hevitry Joany manambara fa Jesoa Kisty no ZANAKONDRIN'ANDRIAMANITRA?
Teo amin'ny tantaran'ny zanak'israely dia mazana zanakondry eo amin'ny herintaona eo no hatolotra ho fanatitra. Zanakondry fotsy tsy misy pentina tsy misy tsiny, isan'andro aza tamin'ny andron'ny Mosesy na Moise. Tsy misy tsiny tsy misy pentina kanefa dia natao hisedra fahoriana mangirifiry ateraky ny afo. Jesoa kristy ry havana dia zanakondry hafa indindra satria zanakondrin'Andriamanitra.Naterak'Andri amanitra tsy misy tsiny tsy nahalala ota nanaiky natao sorona ho fanatitra , ambaran'ny teny soratra masina fa nanaiky ho ota mba hanaisotra ny fahaotan'izao tontolo izao Izy ilay
ambaran'y mpaminany Isaia hoe : 53: 4 - 9...
Jesoa Kristy no fanantenana farany nalefan'Andrimanitra hanafaka ny zanakolombelona amin'ny gadran'ny Fahotana. Izy no tonga hampiverina indray ny firaisana nisy teo amin'y olombelona sy Andriamanitra teo am- piandohana tany edena tamin'ny Adama mbola tsy nahalala ota. Izy no tena zanak'Andriamanitra marina, mpampihavana Atra sy ny olombelona rehetra tsy ankanavaka.
Olona Afaka isika ry havana no izany rehetra izany , olona afaka vita fihavanana indray amin'Andriamanitra ary izany no hifaliantsika, afaka amin'ny gadran'ny fahotana koa antsoin'Andriamanitra mba hanolotra ny fiainantsika ho fanatitra velona ho feno fandavan-tena , ho feno fankasitrahana, ho feno fisaorana an'Andrimanitra ho setrin'ny Fitiavana natolony antsika. Hoy i Paoly Apostoly : GAL 5 13-14-22ss.

Tsy afaka hanova izao tontolo izao isika. Kanefa adidintsika kristiana ny mandrehatra ny jiron'ny fahazavan'iKristy eo anivon'ny aizin'izao tontolo izao, mitrotro am-bavaka izao tontolo izao, ny mpitondra rehetra, mivavaka ho an'ny fandriampahalemana, mivavaka ho an'ny fampandrosoana ny fampielezana ny vaovao mahafaly, mivavaka ho an'ny asa misiona manerana izao tontolo izao, mba hanatanteraka ny baikon'i Krsity hoe : "Ataovy mpianatro ny firenena rehetra" ADIDY MASINA IZANY RY HAVAKO. Fa efa tonga tokoa ny tompo ZANAKONDRY Atra MANALA NY FAHOTAN'IZAO TONTOLO IZAO. Voninahitra any amin'ny avo indindra ho an Atra ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany ho an'ny olona ankasitrahany. AMEN
Mpamafy - Février Mars 1999

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire