JEHOVAH IHANY NO AZO ANTOKA (Jer 17, 5-13)


Isan'ny foto-kevitra lehibe ampianarin'ny Baiboly ny fahatokiana an'i Jehovah Andriamanitra. Ny fahato- kiana sy fianteherana amin'Andriamanitra no isan'ny andraisana famonjena vitan'i Kristy. Izany no atao hoe : finoana. Ny tsy finoana kosa no mahavery ny olona. Jeremia dia mahalala tsara ny toetra sy ny maha -Izy an'i Jehovah. Eto amin'ity toko sy andininy ity dia ambaran'ny mpaminany fa Jehovah ihany no azo ito- kiana. Ny tena notadiavin'i Jehovah dia ny tsy itokian'ny olona zavatra hafa afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Izay everin'ny olona fa azo itokiana na ianteherana ivelan'An- driamanitra dia hamitaka azy, satria tsy hahavonjy azy ireny : vola aman-karena, olona izay manam-pahefana, harena, fahaizana amam-pahalalana,sns, sns satria mora levona sy mandao ireny no sady tsy mahefa na inona na inona. Jehovah ihany no Andriamanitra ka Izy irery ihany no azo itokiana. Noho izany dia izao no azo ambara amintsika rehetra :

1 – VOAOZONA IZAY MIANTEHITRA AMIN'NY ZAVATRA HAFA


"Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony" (Jer. 17.5). Hafatra nampitondrain'Andriamanitra ny mpaminany izany, manomboka amin'ny be voninahitra sy ny mpiton- dra ka hatramin'ny olon-tsotra sy ny zaza madinika rehe- tra. Tsy zava-baovao amin'ny Zanak'Israely ny mahita olona atao hoe : "voaozona" ('aror amin'ny teny Hebreo). Ny olona voaozona na "arora" teo amin'ny Jiosy dia olo- na tena voaozona tokoa satria "naroran'ny fiaraha-monina ara-bakiteny tokoa". Tonga olona tsy vanombanona teo amin'izay rehetra nataony : tsy miteraka, iharam-boina, tsy mahavanona eo amin'ny fambolena sy ny fiompiana, ka ny fiafarany dia tonga mahantra fadiranovana, tsy tian'ny soa ho jerena akory. Izany no nahatonga ny Mala- gasy handrara ny Ray aman-dReny tsy hanozon-janaka na toy inona na toy inona fifanoherana sy ny tsy fitovian- kevitra amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Ambaran'i Jeremia fa ny olona voaozona dia toy ny olona mahantra monina any amin'ny tany hay ka faran'izay tena mahantra tokoa. Ireto avy izany olona voaozona izany : tsy natoky an'i Jehovah ka nivadika Taminy, niantehitra tamin'ny olona toy azy, nanao tsinontsinona ny namany, lasa ma- nompy sampy, natoky ny herin-tsandry na ireo fitaovana namboarin'olombelona toy ny kalesy vy, ny basy aman- tafondro sy ny misily. Tonga nivadika tamin'Andriamani- tra ny fony. Voaozona ny olona toy izany. Ao koa ireo miantehitra amin'ny vola aman-karena izay mahay mano- va ny fon'ny olona hiala amin'Andriamanitra. Koa ny
olom-boaozona izany dia ireo natoky zavatra hafa noho Jeho- vah Andriamanitra, ka tsy mahazo fitahiana avy amin'ny Tompo.

2 – VOATAHY IZAY MIANTEHITRA AMIN'I JEHO- VAH


"Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokony" (Jer.17.9). Eto dia mifanohitra amin'izay voalaza ery aloha ny anjara sahaza ho an'izay mato- ky an'i Jehovah ka miantehitra aminy. Ny teny Hebreo "batah" dia azo adika hoe : manana fahatokiana, manantena, miantehitra. Koa ny olona matoky an'i Jehovah dia izay ma- nana fahatokiana tanteraka an'Andriamanitra eo amin'ny fiai- nana na amin'ny fahafatesana ka manantena an'Andriamanitra mandrakariva, manantena ny fanampiana isan-andro amin'ny zavatra rehetra. Azo oharina amin'ny hazo maniry eo amoron- drano sy eo anilan'ny rano mandeha ny matoky an'Andriama- nitra ka tsy matahotra hainandro sy ranonorana mihantona, fa maitso lalandava ny raviny ary tsy mitsahatra mamony sy mamoa; izany hoe : vanona mandrakariva eo amin'izay rehe- tra ataony.
Ry havana, raha atodika amintiska sy ny Fiangonana ankehi- triny ny fanotaniana hoe : "Mba miantehitra amin'Andriama- nitra ve isika ka isan'ny voatahy, sa isan'ireo voaozona satria matoky ny tenantsika sy miantehitra amin'ny herin'ny tenant- sika sy ny sandriantsika fotsiny?" Mety hisy halaim-panahy hanamarin-tena fa miantehitra amin'Andriamanitra izy. Tasrovy anefa fa Andriamanitra anie ka mandinika ny fo sy ny voa ka mahalala ny miafina rehetra ary manome ny olona rehetra ny valin'izay nataon'ny tsirairay avy, dia fitahiana na ozona arakaraka ny nataony sy nizorany avy. Koa dieny ankehitriny izao, Andriamanitra mitaona antsika mba hiantehitra Aminy, hanao ny sitrapony. Koa aza misalasala mba hanatona sy hatoky Azy isika. "Koa fidionareo anio ary izay hotompoanareo; fa raha izaho sy ny ankohonakao kosa dia hanompo an'i Jehovah izahay" (Josoa.24.15). Manàna fi- noana an'i Jesosy Kristy fa Izy mamonjy sy manome izay rehetra irin'ny fonao tahaka ilay rain'ny zazalahy nampaho- rin'ny demonia, ka afaka tamin'izany. "Aza mety hasiana zio- ga tsy antonona anareo hikambananreo amin'ny tsy mino"(II Kor.6.14). Aoka Jehovah Andriamanitra irery ihany no hany herintsika sy tokitsika. Ho Azy irery ny Voninahitra.
AMENA

Mpamafy - Octobre Novembre 1999

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire